NY ENDRI-PAMOKARANA MIFOTOTRA AMIN’NY FAHALEOVAN-TENA

1. Famaritana ny fahaleovan-tena

Ny atao hoe fahaleovan-tena dia tsy fiankinana amin’ny hafa amin’ny lafiny rehetra, indrindra fa amin’ny lafiny ara-toe-karena.

2. Endrika isehoany

Rehefa miresaka fahaleovan-tena dia zavatra roa no jerena amin’izany:

• Ny fahaleovan-tena eo amin’ny isam-batan’olona

Ny fahaleovan-tena eo amin’ny isam-batan’olona dia fahaleovan-tenan’ny olona tsirairay indrindra amin’ny lafiny famokarana.

Azo lazaina hoe mahaleo tena ny olona iray raha manana fahaleovan-tena ara-toe-karena:

Tokony tsy hanorina tokantrano ny olona iray raha tsy manana izany fahaleovan-tena ara-toe-karena izany.

• Ny fahaleovan-tenam-pirenena

Ny atao hoe fahaleovan-tenam-pirenena dia tsy fiankinana amin’ny firenena hafa indrindra eo amin’ny lafiny toe-karena.

Ny firenena mahaleo tena dia firenena manana:

3. Ny famokarana sy ny fahaleovan-tena

Mifatotra ny famokarana sy ny fahaleovan-tena amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny firenena.

3.1 Eo amin’ny isam-batan’olona

Rehefa miankina amin’ny herin’ny tenany ny tsirairay dia:

3.2 Eo amin’ny firenena

Rehefa mahaleo tena ny firenena dia:

Fanamarihina

Tsy midika fitokana-monina ny tsy fiankinana amin’ny hafa eto. Na mahaleo tena aza ny olona iray dia tsy maintsy mifandray amin’ny hafa mba hahafahany mampandroso ny zavatra ataony; toy izany koa ny firenena iray izay tsy maintsy mifandray amin’ny firenena hafa.

Tsy midika hoe miankina amin’ny hafa ny hoe mifandray, fa kosa manampy amin’ny fampivelarana ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fampandrosoana.

Rehefa nanampaka ny endrim-pamokarana mifototra amin’ny herin’ny tsirairay dia nihalefy ny fanaovana ny “valin-tanana”.