1. Famaritana
Ara-piforonan-teny
- f : tovona famoronana anarana
- aha - ... - ana : tsirinteny sara-droa maneho toe-javatra
- fati : fototeny (izay tsy afa-mihetsika intsony)
Fahafatesana : anarana ilazana ny toe-javatra izay tsy afa-mihetsika intsony.
Ara-kevi-teny
Ny atao hoe fahafatesana dia ny fisarahan’ny aina amin’ny vatana eo amin’ny olona iray,
ny fahataperan’ny androm-piainan’ny olona eto an-tany, fihatahana na fandaozana ny
fahavelomana, fiverenan’ny nofo ho vovoka.
Fiampitan’ny velona mankany amin’ny tontolon’ny razana.
2. Ny antony mahatonga ny fahafatesana
- Ny aretina : tazo, pesta, fahatapahan’ny lalan-dra, fijanonan’ny fo tampoka...
- Ny mosavin’olona : voankanina, raodia...
- Ny voina isan-karazany : vonoan’olona, loza voajanahary, varatra...
- Ny famonoan-tena.
- Ny fahanterana.
3. Ny endrika isehoany
Ny amantarana fa maty ny olona iray dia :
- Tsy miaina intsony.
- Mangatsiaka ny vatany.
- Tsy mitepo intsony ny fony.
- Mihinjitra be.
- Miakatra ny masony.
- Mety ho hatsatra na mangana ny endriny.
4. Ny fomba atao raha misy maty
Dingana voalohany : vao tapitra aina
- Ahirina ny masony.
- Fatorana miakatra any amin’ny loha ny valanoronany (hamama).
- Esorina ny maloto ao aminy na sesehana vori-damba ny lavaka rehetra.
- Ampandroina.
- Ampanaovina fitafiana madio.
- Ahitsy ny ratsambatany.
- Apetraka eo amin’ny toerana iandrasana azy.
- Mitomany ny fianakaviana.
- Ampandrenesina ny havana sy ny mpiandry fasana.
- Tonga manampy ny mpiara-monina.
Dingana faharoa : famangiana
- Maka toerana ny tompo-manjo.
- Mifandimby mitsapa alahelo ny mpamangy.
- Manolotra faodranomaso sy singan-dandy.
- Talata sy Alakamisy dia andro fady.
Dingana fahatelo : fiandrasam-paty
- Tahotra ny handevim-belona.
- Fanehoana fiaraha-miory.
- Fiandrasana ny havana lavitra.
- Fanolorana kafe, dite, paraky na toaka.
- Fanaovana hira sy fiaretan-tory.
Dingana fahaefatra : famonosana
- Antsoina hijery farany ny havana.
- Avelatra ny tsihy.
- Alahatra ny lamba.
- Asesy ny fatorana ka ny faralahy no mamarana azy.
- Ampanarahina ny zavatra tsy foin’ny maty.
Dingana fahadimy : fandevenana
- Fampahafantarana ny fotoana handevenana.
- Fanokafana ny fasana.
- Fanomezana sakafo ny olona tonga.
- Fametrahana ny maty anaty vata na tranovorona.
- Kabary tsy valiana.
- Fitondrana ny razana mankany am-pasana.
- Fampandalovana ny vata eo ambony lohan’ny havana.
- Fanitrihana ny razana.
- Kabary fisaorana ny mpandevina.
- Fiverenana amin’ny lalana hafa.
Dingana fahaenina : aorian’ny fandevenana
- Mandika afo ny mpandevina.
- Andorana fingotra na fato-bolo.
- Misasa eny amin’ny renirano.
- Misaona ny fianakaviana.
- Fialana saona.
- Fandaminana ny vola sy fandaniana rehetra.
5. Ny hevitry ny fomba raha misy maty
- Famangiana manjo : maneho fihavanana sy firaisankina.
- Fampandroana ny maty : fanadiovana sy fampitana azy any amin’ny razana.
- Fiaretan-tory : fiambenana sy fanaovana veloma farany.
- Tsy fandevenana Talata sy Alakamisy : noho ny finoana fa andro fady.
- Famatorana ny faty : firariana ny hifaranan’ny fahoriana.
- Fampandalovana ny vata : mba hitahian’ny maty ny havany.
- Tsy fiverenana amin’ny lalana nandehanana : tsy hiverenan’ny loza.
- Fanipazana vatomaty : tsy hisian’ny fanarakarahana.
- Mandika afo : tsy harahin-dolo.
- Fisasa : fidiovana sy fanalana loza.
- Famalanana akanjo : firariana ny fitsaharan’ny fahoriana.
- Fisaonana : fanehoana alahelo sy fanajana.
6. Ny lanjan’ny fandevenana eo amin’ny tontolo manodidina
- Voninahitra ho an’ny velona sy fanomezan-kasina ny maty.
- Mampifandray sy mampihavana ny fianakaviana.
- Fandraisana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina.
- Finoana ny fitohizan’ny fiainana aorian’ny fahafatesana.
- Fitandroana ny fahasalamana.
- Tsy hahavery ny faty.
- Tsy anadinoana ny loharano niaviana.
- Fanehoana ny hasin’ny fandevenana arakaraka ny fahefa-manaon’ny fianakaviana.
7. Ohabolana sy Oham-pitenenana
"Mamy ny miaina, aleo maty rahampitso toy izay maty anio."
"Ny loza be maty tsy an-trehin-kavana dia toy ny adrisa ka mamikitra ahitra irery."
"Ny anongotsongoana ny maty tahotra ny handevim-belona."
"Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby."
"Ny velona arahim-potsimbary ny maty arahin-dambamena."
"Mananjara izay malahelo misy mpampionona fa lavo misy mpanarina."
"Andevolahy maty hariva ka vovon’amboa no solon-tafondrony."
"Tsy tsara ny ranomaso tsy miaraka amam-paty."
"Mifankatiava dieny mbola velona fa rehefa maty anie hifanondana ihany."
"Velona iray trano, maty iray fasana."
8. Tenin'ny mpandinika sy mpanoratra
ANDRIANAMPOINIMERINA
"Ny nofoko no hilevina fa ny fanahiko sy ny saiko hitoetra aminareo sy Damalahy ihany."
"Ny maty indray mandeha leo ihany fa ny maty fanindroany no tsy tanty."
R.P. RAJARIZAFY
"Raha vintan-ko faty, tsy mba azo hazonina ny aina, ary vitan-ko velona,
tsy mba azo vonoina ny aina."