A. NY VALIN-TANANA
1. Famaritana
Fomba fiasa nalaza teo amin’ny famokarana fahiny ny atao hoe valin-tanana.
Fifanomezana tanana teo amin’ny asa fivelomana no natao tamin’izany ka
vetivety dia vita ny asa. Tsy nijery tavan’olona ny fanaovana izany fa
nanaovana daholo na ny manana na ny tsy manana.
Nahavitana karazana asa maro izy io toy ny fambolem-bary, fanaovana fasana,
fanamboarana trano, fananganana tamboho sy fefiloha. Tsy teo amin’ny asa
ihany fa niitatra tamin’ny fifanampiana rehetra ka novonjena avokoa izay
sahirana nila tanana.
2. Ny fanatanterahana azy
Nifandimbiasana ny olona nanaovana ny asa. Ny olona avy niasana voalohany
dia tsy iverenana raha tsy efa tapitra niasana avokoa ny hafa rehetra
(atero ka alao).
- Fifanomezan-tanana
- Fifanampiana
- Fifamonjena amin’ny fiainana andavanandro
- Mbola hita any ambanivohitra ankehitriny
3. Tombontsoa azo avy amin’ny valin-tanana
- Tsy ijerena tavan’olona ny asa.
- Vita haingana ny asa.
- Maivana ny fanatanterahana ny asa.
- Miara-miakatra ny vokatra.
- Manamafy ny fihavanana sy ny firaisankina.
- Tsy mandany vola be satria tsy mila sakafobe.
4. Anarana iantsoana azy araka ny foko
| Foko |
Anarana |
| Merina |
Valin-tanana |
| Betsileo |
Kifanomba / Atero ko alao |
| Bara |
Haoŋa |
| Betsimisaraka |
Tambirô |
5. Hevitra fonosiny
- Fifanampiana
- Fiaraha-miasa
- Fanamafisana ny fihavanana sy ny firaisankina
- Fifanomezan-tanana
Fanamarihana :
Tsy misy maharatsy ny valin-tanana fa ny fisainan’ny olona ankehitriny no
mihevitra azy ho efa lany andro ka aleony mampiasa vola hanatanterahana ny asa.
B. NY TAMBIRÔ
1. Famaritana
Fomba fiasa narahina fihavanana fahiny tany amin’ny Betsimisaraka ny tambirô.
Fifanomezan-tanana tamin’ny asa fivelomana no natao ary tsy teo amin’ny
mpianakavy ihany fa nitatra tamin’ny fiarahamonina manontolo.
2. Ny fanatanterahana azy
- Niaraha-nanao ny asa.
- Nisy fikarakarana sakafo ary indraindray namono omby.
- Afaka nisotro toaka araka izay tiany ny olona.
- Nisy resadresaka sy korana maro teo am-piasana.
- Rehefa vita ny asa dia mbola omena sakafo ny mpiasa.
- Isaoran’ny raiamandreny ny mpiasa ho fankasitrahana.
3. Tambirô sy fampandrosoana
Soatoavina mampifandray ny mpiara-monina amin’ny alalan’ny asa ny tambirô.
- Mampisy fiaraha-miasa.
- Mahavita asa haingana.
- Manamafy ny fihavanana sy firaisankina.
- Miara-miakatra ny vokatra.
4. Ny voka-dratsiny
- Fandaniana be loatra noho ny fitadiavana laza.
- Fisotroana toaka mialoha ny asa.
- Mety ho vita kitoatoa ny asa noho ny hamamoana.
- Mety hiteraka ady eo amin’ny samy mpiasa.
Raha ireo lafy ratsiny ireo no jerena dia mety hisakana ny fampandrosoana
ny tambirô satria betsaka ny fandaniana ary mety hihena ny vokatra azo.
5. Ohabolana sy oha-pitenenana
- “Ny asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana.”
- “Soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra.”
- “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.”
- “Akanga maro tsy vakin’amboa.”