Ny Lahatsoratra Kanto

1. Famaritana ankapobeny

Ny atao lahatsoratra dia fanambarana fehezanteny maromaro hamoaka hevitra feno sy mazava, manaraka drafitra natao hampitana hafatra.

Ny atao hoe kanto dia ireo mihataka amin’ny andavanandro, manintona, mandresy lahatra, mahafinaritra, mateza dinihana ary mambambo ny fo sy saina amam-panahy.

Araka izany ny atao hoe lahatsoratra kanto dia andiam-pehezateny maro, manara-drafitra, mahalaza hevitra mazava, miteraka ako sy fihetseham-po eo amin’ilay olona mihaino sy mamaky azy.

2. Ny maha-kanto ny lahatsoratra

Miompana amin’ny zavatra 2 ny fandinihana ny kanto eo amin’ny lahatsoratra dia :

2.1 Ny endrika ivelany

Fampiasana teny

Oh: Misy osy fotsifotsy fito fotsifotsy foto-tsofina ao (tamberim-peo f)
Oh: Tiako ho fantatrao fa tiako ianao (tamberin-teny tiako)

Misy karazany maromarony tamberina: tamberim-pototeny, tamberim-boateny, tamberina an-dohany sy am-parany ary anaty.

Ny tamberim-pototeny

Oh: Mbola misy koa ireo mpihira tsy mihira (tamberim-pototeny hira)
Aza mampijaly an’ireo olona efa mijaly ianareo

Ny tamberin-teny andoha sy amparam-pehezan-teny

Oh: Iza no tia ahy? Iza no mba hahatsiaro ahy? Iza no mba hitomany ahy?
Ny koram-pianakaviana tsy feno intsony ho korana

Ny tamberin-teny mitovy rafitra

Oh: Mifanampy sy mifampitsimbina ny mpiara monina (samy ahitana tsirin-teny sosona)

Ny rafitry ny fehezanteny

Tso-drafitra na mivadi-drafitra (izay hita mibahan-toerana eo amin’ny lahatsoratra)

Ny fehezanteny mitovy rafitra

Ny fehezanteny mitovy rafitra dia mampitovy isan’ny teny ampisaina mandrafitra ny an-dalana na ny fehezanteny, ka amin’izany izy dia mety hitovy isa tanteraka na mihena na mitombo.

Misy karazany telo izy:

Oh: Izaho valiha. Ianao lokanga
Oh: Raha vazaha no mitady asa, amoronana

Raha Malagasy no mangata-draharaha dia lazaina fa tsy misy ny toerana
Oh: Vorona tao amin-dRasoa no namahanana ny olona nasaina

Vary tao an-tsopitra no noloarina

2.2 Ny endrika anatiny

Ny fomba fanehoana ny hevitra indray no jerena amin’io:

Koa anisan’ny ahitana izany ireto manaraka ireo

Ny fampiasana ny teny roa mifanohi-kevitra

Filazan-javatra natao hanatitranterana na hanamafisana

Oh: Ny mahihitra no lany be

Ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy

Ny fanalefahan-kevitra

Filazan-javatra tsy dia natao handratra loatra

Oh: Olona efa somary zokinjokiny ihany ny vadiny (olona efa antitra ihany ny vadiny)

Ny filaza masaka

Filazan-javatra tafahoatra noho ny tokony ho izy

Oh: Tena dondrona mihitsy ianao ity (tsy mahay)

Ny fanovana endri-javatra

Fampifampifanandrinana toe-javatra roa samihafa tanteraka, ny iray atao hoe A ny iray atao hoe B, ka rehefa omena an’i B ny toetra na fihetsika na asa … an’i A dia lasa mitovy izy roa, izany hoe A = B.

Oh: Mangidy ny fahoriana nahazo ahy

A = zavatra manana tsiro mangidy ohatra vahona
B = fahoriana

Ny toetra mangidin’ny vahona dia atafy ny fiainana, dia lasa A = B

Ny fanoharana

Mitovy amin’ny fanovana endri-javatra ihany saingy tsy maintsy ahitana singa efatra na dia mety ho takona aza ny singa sasany: ny oharina, ny anoharana, ny teny savily (toy ny, tahaka ny, sahala amin’ny, ohatry ny, …) entina manohatra ary ilay toetra iraisana. Efa fantatra mialoha ny fisian’ilay toetra iraisana.

Oh: Mibaliaka toy ny masoandro ny endrikao

Ny filazan-javatra manao antanatohatra

Filazan-javatra manao ambaratonga miakatra na midina, tsy miara-miseho elanelanina mpampitohy: faingo, sy, ary, no, sady, ihany koa, …

Oh: Notantanany aho dia nivoaka ny fiara izahay ary niditra tao an-trano

Ny tsipoy tonga akoho, ny akoho tonga ondry, ny ondry tonga omby

Ny fampiasana ny teny tsy fampiasa andavanandro

Filazan-javatra amin’ny alalan’ny teny tsy fampiasa matetika, mbola takarina ny heviny nefa misy fomba mahazatra ahafahana manao izany.

Oh: Ireo vahoaka be miara miasa ireo no atao hoe tsy mandalo saha

(tsy mandalo saha = mazoto)

Mandra-panjofotry ny andro ianao mipaipaika manalama ireto vato ireo foana

(mandra-panjofotry ny andro = mandrapahafaty ny masoandro)

Ny fampiasana ohabolana

Filazan-javatra amin’ny alalan’ny fehezanteny tsara rafitra, tototra sarin-teny sy ohatrohatra noforonin’ny Ntaolo.

Oh: "Izay sahy maty mifono lambamena"

Entina handresena ny hakanosana

3. Tenina mpandinika sy mpanoratra

RANDRIAMIADANARIVO : “Kanto” izay tsara, tonga lafatra ary fenitra amin’izay tena maha izy azy.
Clarisse RATSIFANDRIAMANANA : “Kanto” izay mahatratrany toetra ambony amin’ny fahatsarana.
Esther RANDRIAMAMONJY : “Ny maha-kanto ny lahatsoratra iray dia izy mampita hevitra ombam-pihentseham-pon’ny mpanoratra amin’ny fomba kanto mahalina ny mahasarika ny saina avy hatrany, mahatonga ny mpankafy azy ho resy lahatra amin’ny lafiny maro”