NY LITERATIORA MALAGASY

Famintinana sy Fampahatsiahivana

I. Ny Literatiora Am-bava

II. Ny Tantara Tsangana

Famaritana

Tantara natao hohainoina sy hojerena eny ambony sehatra. Antsoina koa hoe tantara an-tsehatra na tantara an-dapihazo.

Fizarana

Mampiavaka azy

Ohatra

Sangy Mahery – Rodlish (Arthur Razakarivony)
Zefina sy Armand – Rajaonah Tselatra

III. Ny Maha-kanto ny Lahatsoratra

Famaritana

Lahatsoratra kanto dia andian-fehezanteny maromaro manara-drafitra, mampita hevitra mazava ary miteraka fihetseham-po amin'ny mpamaky.

Ny Endrika Ivelany

Misy osy fotsifotsy fito fotsifotsy foto-tsofina ao.
(Tamberim-peo "f")
Tiako ho fantatrao fa tiako ianao.
(Tamberin-teny "tiako")

Ny Endrika Anatiny

Mibaliaka toy ny masoandro ny endrikao.
(Fanoharana)
Ny lahatsoratra kanto dia manintona saina, mampita hevitra ary miteraka fihetseham-po.

IV. Sombin-tantara

Famaritana

Tantara fohy nefa feno izay manasongadina toe-javatra manokana tiana hampitaina.

Firafitra

  1. Fanombohana
  2. Vontoatiny
  3. Famaranana

Toe-javatra telo ao anatiny

Mpandray anjara

Antony ilana azy

V. Ny Tononkalo

Famaritana

Asa soratra mirindra amoahan'ny poeta ny vetsovetsom-po sy hafatra tiany hampitaina.

Karazana Tononkalo

1. Tononkalo Manara-drafitra

2. Tononkalo Malala-drafitra

Ny Sonnet

Tononkalo misy andalana 14 sy andininy 4. Ny andininy roa voalohany dia misy andalana 4 avy, ary ny roa farany misy andalana 3 avy.

Ny Rima

Ny fitovian'ny feo amin'ny fiafaran'ny andalana.

Karazana Rima

Araka ny hafenoany

"... tomandavana"
"... mavamavana"
(Rima feno)

Tenin'ny Mpandinika