NY AINA

“Lahy tokana ny aina, ka tandrovina sy tsimbinina.”

🛠️

<==Miverina

1. Famaritana

Ny aina dia fototry ny fahavelomana ao amin’ny zavaboary rehetra manana aina. Fanomezan’Andriamanitra izy satria Izy no Tompon’ny aina. Noho izany dia sarobidy ka tsy azo atao tsinontsinona na vonoina.

2. Toetry ny Aina

3. Antony Hitsimbinana ny Aina

4. Ny Tokony Hatao

5. Vokatry ny Fitsimbinana ny Aina (Tsara)

Vokatry ny Fitsimbinana Tafahoatra (Ratsy)

6. Ohabolana sy Ohapitenenana

“Ny aina Ramangatahiana, ny vola Ramangakatsahina.”
“Izay iray vatsy iray aina.”
“Lahy tokana ny aina.”
“Mahery tsy maody tsy ela velona.”
“Ny aina toy ny zavona ka tsy hita izay anjavonany.”
“Ny aina toy ny tavim-bilany, tsy hita izay ahavakisany.”
“Sandry be tsy ody faty, ranomaso tsy mahatana aina.”
“Ny aina tsy afaky ny tompony.”
“Aza manary olona tsy afaka aina.”
“Voalavo sasatry ny miaina ka mandalo ambany saokan’ny saka.”
“Tehin-kibo am-piakarana, tsy haingo fa tohan’aina.”

7. Tenin'ny Mpandinika

Michel RANDRIA

“Zanahary no tompo nahary ny zava-drehetra sy tompon’ny aina rehetra.”

R.P. RAHAJARIZAFY

“Raha tsy mitandrina ianao, moa tsy holazoin’aretina sy ho fatifaty foana?”

RANDRIANJOANIMANANA Olivier

“Ny tsy fahaizan’ny olona iray mitsimbina ny ainy dia miteraka fahavoazana ho an’ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ary ny firenena manontolo.”

DADAMBOA

“Ny fitsitsiana dia tsy fihafiana tsy akory fa fahaizana mandanjalanja ny fiainana.”

RAZAFIARIVONY Wilson

“Atsy ho atsy antenaina, ho velona doria ny aina...”

Jean NARIVONY

“Io no aina tsy mba roa, ka tandremana ery; tsy voavidin-java-tsoa sady maro mpankafy.”

Alphonse RAVOAJANAHARY

“Marefo ihany moa ity ain’olombelona ity.”

Dox

“Fantatro fa tsy eto ny toerana doria fa ny aina dia nindramina.”

Erika

“Aina lany itadiavam-bola, vola azo itadiavana aina.”

Gilbert RATSIMBAZAFY

“Ny lasa tsy mba miverina... ny fitandremana ny fiainana ho avy sisa no lesona tsotra.”

Jasmina RATSIMISETA

“Izay mampody fahasalamana dia manome aina fa izay mandrava azy dia mitovy laharana amin’ny mpamono olona.”