NY HASINA

Soatoavina, hery ary haja maha-olona sy maha-zava-dehibe

🛠️

<== Miverina

1. Famaritana

Ny hasina dia entina ilazana ny singantsingany na fizarazarana ao anatin'ny bolongana iray (ohatra: hasim-boasary).

Izy koa dia anondroana ny hery anaty na ivelan'ny zava-manan'aina sy tsy manan'aina izay ahafahany manao zavatra manokana mihoatra noho ny hafa mitovy aminy. Matetika hajaina izany hery izany satria mety ho mahagaga, mamonjy na mampatahotra.

Misy ihany koa ny zava-maniry antsoina hoe hasina izay maniry amin'ny tahony ary ampiasaina ho haingon-trano.

2. Famaritan'ireo mpandinika

Siméon RAJAONA

“Ny heviny voalohany dia hoe toetra sy hery anaty ahafahana manao zavatra manokana.”
“Ny heviny faharoa dia fomba fihetsika ivelany enti-maneho ny fiekena sy ny fanoavana izany toetra sy hery anaty izany.”

Régis RAJEMISA-RAOLISON

“Hery ananan'ny zavatra iray, na toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran'olombelona.”
“Haja sy hamendrehana ananan'ny tsirairay.”
“Vola na zavatra hafa atao fanomezana amin'ny fotoana na toe-javatra sasantsasany, toy ny hasin-jaza na hasin-tanana.”

3.1 Ny vokatry ny fananana hasina (Tsara)

3.2 Ny vokatry ny fananana hasina (Ratsy)

4. Ny toetra ananan'ny hasina

5. Ny karazana hasina

👤 Hasin'ny tsirairay

Ohatra: hasin'ny mpanjaka, hasin'ny ray aman-dreny, hasin'ny vatana.

⛪ Hasin'ny toerana

Ohatra: fasana, doany, fiangonana, zoro firarazana.

🌿 Hasin'ny zavaboary

Ohatra: madiro, hazo kily, vato, zavamaniry fitsaboana.

6. Ohabolana sy Ohapitenenana

✨ Masina ny tanindrazana
✨ Ny adidy hasina, ny andraikitra voninahitra