🛠️
<== Miverina
1. Famaritana
1.1 Ara-piavian-teny
Avy amin’ny fototeny hoe “hitsy”, izay manambara
zotra tsy mibilobiloka na mijoro tsara.
Mahitsy : tsy miolakolaka, tora-tady, tsy meloka.
1.2 Ara-piarahamonina
-
Lalana mahitsy sy mazava tsy maintsy arahin’ny rehetra,
na koa fefy tsy azo ihoarana.
-
Ny hitsiny dia sori-dalana na fitsipi-piainana feno
fahamarinana manoritra ny fitondran-tena tokony harahin’ny
rehetra mba tsy ho diso.
2. Andian-teny ahitana ny hoe "Hitsy"
- Hitsim-po : tsy miolakolaka, tsy mihatsaravelatsihy, akaiky indrindra.
- An-kitsirano : tsy ankifonofono, tsy ankinafinafina, am-pahatsorana.
- Mahitsy fanahy : mahitsy saina, marina.
- Hitsim-pandraka : mitsatoka, tsy mivaona.
- Hitsin-dalana : lalana akaiky indrindra, tsy miolakolaka na mivilivily.
3. Ny Toetrany
- Miafina ka tsy maintsy karohina.
- Saro-tadiavina.
- Miovaova arakaraka ny toe-javatra sy ny fiarahamonina.
4. Fanamarihana
-
Tsy misy ny marina tanteraka, noho izany tsy misy ny rariny tanteraka
fa rariny voafetra ihany; io rariny voafetra io no antsoina hoe
hitsiny.
-
Ny hitsiny dia mety ho fitsipika, lalĂ na, didy, na dinam-pokonolona.
-
Rafitra entin’ny Malagasy hamerenana amin’ny laoniny ny lamina
voakorontana noho ny tsy fahitana ny rariny sy ny marina.
-
LalĂ na sy sori-dĂ lana tsy maintsy arahina mba tsy ho diso na ho meloka.
-
Misy marina tsy rariny, misy rariny tsy hitsiny,
ary misy hitsiny tsy rariny.
-
Tsy afa-misaraka fa mifaningotra hatrany ny
marina, rariny ary hitsiny.
5. Ny Lanjany
- Mampirindra sy mampilamina ny fiainan’ny fiarahamonina.
- Manamafy orina ny fihavanana.
- Manome fifampitokisana ny mpiara-belona sy ny mpiara-monina.
6. Ohabolana sy Ohapitenenana
“Ny omby matin’ny taviny, ny hazo matin’ny hitsiny.”
“Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra.”
“Izay manoro lala-mahitsy mamindra aina.”
“Ny monina amoron-drano, mahita ny marivo hirobohana;
ny monina amoron’ala, mahita ny mahitsy hokapaina.”
“Ny hafatesana tsy heloka, ny havelomana tsy hitsiny.”
“Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy hasiana ny hitsiny.”
7. Tenin'ny Mpandinika
RATREMA William :
“Izay mifanaraka amin’ny fitsipika no hitsiny ary izay tsy
mifanitsy amin’izay no heloka.”
RANDRIANJOANIMANANA Olivier :
“Dingana tsy maintsy andalovana hanatanterahana ny hitsiny
ny famantarana ny marina sy ny rariny.”
Joseph RAKOTONIRAINY :
“Aza malady tezitra alohan’ny rariny, fa raha tezitra
alohan’ny rariny dia tsy misy hasiana ny hitsiny.”
R.P. Antoine RAHAJARIZAFY :
“Olona mahalala ny hitsiny sy rariny, olo-marina,
tsy mizaha tavan’olona, izany, hono, ka olona.”