⚖️ NY RARINY

Soatoavina mampirindra ny fiaraha-monina sy mampanjaka ny filaminana

🛠️

<== Miverina

1. Famaritana

1.1 Ara-piforonan-teny

Avy amin’ny fototeny hoe “rary” ahazoana ny sampan-teny hoe mandrary ny rariny, izany hoe fandaminana sy fandaharana ireo akora amin’ny toerana tokony hisy azy mba hahazoana zavatra mirindra sy voalamina tsara.

1.2 Ara-piarahamonina

2. Endrika isehoan’ny rariny

Fanamarihana

3. Ny toetry ny rariny

4. Karazana rariny

5. Ny fahavalon’ny rariny

6. Ny lanjan’ny rariny

7. Ohabolana sy ohapitenenana

“Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka.”
“Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina.”
“Ny rariny tsy enti-mandefitra.”
“Ny hitsiny tsy aritra, ny rariny tsy enti-mandefitra.”
“Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy hasiana ny hitsiny.”
“Ny fo tezitra tsy ananan-drariny.”

8. Tenin’ny mpandinika

FETY Michel
“Mihamahazo vahana ankehitriny ny tsy rariny sy ny toetra ratsy rehetra noho ny fihenan-danjan’ny fahatahorana ny tody.”
“Maro no madio eritreritra eo amin’ny fanambakana sy ny tsy rariny ataony.”
IPA (Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA)
“An’Andriamanitra ny fahamarinana, fa an’ny vola ny rariny eto an-tany.”
E.D. ANDRIAMALALA
“Ny mpandala ny marina ihany no afaka manao ny rariny.”
“Voatototry ny vola ny rariny.”
“Misy marina tsy azo lazaina sy rariny tsy maintsy mandefitra.”
Charles RANAIVO
“Tsy misy manana ny rariny ho an’ny tenany samy irery raha tsy miaraka amin’ny fahalalana ny rariny ho an’ny hafa koa.”
“Ny fananantsika fanahy no ahaizantsika manaiky ny rariny.”
“Toetra tena malagasy ny mino ny rariny, ny matoky ny rariny, ny miandry ny rariny, ny manantena ny rariny.”
RANDRIANJOANIMANANA Olivier
“Ny tsy fiheverana ny rariny iombonana no miteraka disadisa eto amintsika ankehitriny.”
RATREMA William
“Dingana iray aorian’ny fitadiavana ny marina ny fikatsahana ny rariny.”
Joseph RAKOTONIRAINY
“Ny fitondrana tsy mitovy, ny tsindry hazo lena, ny hetraketraka, ny fanalikana ary ny halozana dia samy toetra tsy ara-drariny avokoa.”
S. BEM (RANDRIANASOLO)
“Mazàna ny rariny miafina na bitika saro-tarafina.”
Samuel RATANY
“Satria vovoka isika... dieny mbola tsy tonga eo, manaova ny rariny.”
ANDRY ANDRAINA
“Mamatotra ny tsy fananana, mampanaiky zavatra hita mibaribary fa tsy rariny.”