🛠️
<== Miverina
1. Famaritana
- Ny tsiny dia hery manimba mitambesatra amin’ny olona nandika fady ka mahavoa azy eo amin’ny fahasalamana, ny fananany ary ny taranany.
- Ny tsiny dia fahadisoana na fahotana noho ny fanaovana zavatra tsy tokony ho natao na amin’Andriamanitra, na amin’ny Razana, na amin’olombelona.
- Fanamelohana ataon’ny mpiara-belona amin’ny olona iray noho ny fahadisoana nataony, na niniana izany na tsia.
- Enti-milaza ny tsy fahalavorariana eo amin’ny olona na zavatra iray.
- Eo amin’ny fiaraha-miaina, ny tsiny dia ny tsy fanajana ny lamina sy ny fitsipika iombonana.
- Ilazana ihany koa ny fahavoazana mitranga eo amin’ny olona iray.
2. Ny Toetra Ananany
- Ratsy mandrakariva ny tsiny.
- Azo sorohina na ialana mialoha na aoriana.
- Azo alana amin’ny fihetsika sy ny fomba amam-panao.
- Manahirana sy maivamavesatra.
- Tsy hita maso.
- Tsy ampoizina ny fotoana isehoany.
- Mety hahavoa ny olona nanao hadisoana na ny taranany.
3. Ny Endrika Isehoany
- Azo avy amin’ny atao.
- Fanana kilema.
- Fitondran-tena tsy mifanaraka amin’ny andrasan’ny mpiara-belona.
- Fahabangana eo amin’ny fiainana izay mety hitohy amin’ny taranaka.
4. Ny Loharano Nipoirany
- Avy amin’ny tsirairay.
- Avy amin’Andriamanitra.
- Avy amin’ny Razana.
- Avy amin’ny ray aman-dreny.
- Avy amin’ny zavaboary.
- Avy amin’ny fiarahamonina.
5. Ny Karazana Tsiny
- Tsinin’Andriamanitra : vokatry ny voady tsy notanterahina.
- Tsinin-drazana : vokatry ny tsy fikarakarana na fanadinoana ny hafatra navelan’ny razana.
- Tsinin-draiamandreny : vokatry ny faniratsirana na fanadinoana ny ray aman-dreny.
- Tsinim-pihavanana : vokatry ny tsy fanatanterahana ny lalĂ m-pihavanana.
- Tsinim-biby : vokatry ny famonovonoana tsy am-piheverana ny biby.
6. Ny Vokatry ny Finoana ny Tsiny
6.1 Tsara
- Mampilamina sy mampirindra ny fiarahamonina.
- Mampianatra handanjalanja ny fihetsika.
- Mahatonga ny olona handray andraikitra.
- Manosika hifanaja sy hifanome hasina.
- Mampitombo ny fanajana ny zavaboary.
6.2 Ratsy
- Mahatonga olona sasany hialangalana andraikitra.
- Tsy mampivoatra.
- Miteraka finoanoam-poana.
- Mampitotongana ny toe-karena.
- Tsy mampivelatra ny fikarohana ara-tsiansa.
7. Ohabolana sy Oha-pitenenana
“Ny tsiny toy ny rivotra tsy hita tarehy, potrany ka vao talanjona.”
“Misoka toa ranom-panala ny tsiny, an-koditra vao mahangoly.”
“Ny tsiny toy ny rivotra an-kadilalana, mipaoka vao mahataitra.”
“Aleo mosavy dombo toy izay tsiny maranitra.”
“Ny tsiny toy ny hady lalina, tsirihi-mahafanina, ianjera-mahafaty.”
“Aza atao famaky manan-tsiny amin’izay kiakiak’akoho.”
“Tovovavy tsara tarehy petaka orona, voatondro iray no tsininy.”
“Mpandihy lava volon-kelika, mahay manan-tsiny tsy mahay manan-tsiny.”
“Vady tsy tiana be-tsiny.”
“Ny tsiny tsy avy tsy marary.”
8. Tenin'ny Mpandinika
E.D. Andriamalala
“Koa na tsy misy aza ny tsiny sy tody, dia tsy maintsy noforonina izy satria tsy misy firenena afaka hivelona amim-pilaminana, tsy mana-javatra hajaina sy atahorana.”
“Ny tsiny sy ny tody dia arofanina mba tsy hianjerana any amin’ny fanjakan’i Baroa.”
R.P. Rahajarizafy
“Ny maha loza azy dia izy mahavoa anao na dia tsy tandrinao aza ny maha diso anao.”
“Toa dia manimba ny fiadanam-panahin’ny Malagasy tsy amin’antony ny miahiahy ho voan-tsiny.”
“Mety hahatarika sazy avy amin’Andriamanitra tokoa ny hadisoana atao amin’ny namana.”
“Fanamelohana avy amin’ny hadisoan-drehetra eo amin’ny fiaraha-miaina ny hoe TSINY.”
Fety Michel
“Tsy ny ratsy na ny soa atao ihany no handraisam-baliny fa na dia ny tsy fanaovana izay tokony hatao koa aza dia hananan-tsiny.”
“Tena ananan-tsiny ny fihetsika tsy misy fiheverana ny hafa.”
“Tsy maintsy hitangosam-boka-dratsy koa izay fihetsika ananan-tsiny.”
Andriamanalina Rombalahivola
“Koa lalao ny Fanahy maha olona, fa izay tsy manam-panahy handalà na no raiki-tapisaky ny tsiny.”
Maurice Rasamuel
“Ny atao hoe tsiny dia fahadisoana noho ny fanaovana zavatra tsy tokony hatao, na amin’Andriamanitra na amin’ny razana, na amin’olombelona.”
Gabriel Navone
“Ny olona maty eritreritra ihany no tsy matahotra ny tsiny.”